Ts’Res RANDRIAN

Iza moa i Ts’Res RANDRIAN ?

RANDRIANJAFY Tsihoarantsoa Tsiresy na koa fantatra amin’ny anarana hoe Ts’Res RANDRIAN dia anisan’ireo olona liana sy nandalina ary mikirakira ny tontolon’ny Sary sy ny Sary mihetsika.

Nanangana ny trano famokarana Sary mihetsika izy ho fanampiana ireo mpiangaly ny tontolo Hip-Hop sy mba hivelaran’izy io bebe kokoa ary ny sangan’asany dia miavaka ary voamarika amin’ny rangotra izay nomeny ny anarana hoe OTHER PIXEL.

Raha asina fanazavana tsotsotra ilay hoe OTHER PIXEL dia nadika avy amin’ny teny vahiny hoe Autre Pixel ary mifono ny hoe Sary hafa. Ka ny taratra amin’ny zavatra vokariny dia ny fomba fijery hafa raha mijery sary izay mibanjina ny tanjona hoe any amin’ny fanakarana ny avo hatrany amin’ny resaka Sary.

Laisser un commentaire