SKINTO

SKINTO na SK dia mpikambana ao amin’ny tarika OTENTIKA amin’izao fotoana izao.

Nanomboka nihiditra tamin’ny sehatry ny RAP tamin’ny taona 2000. Niaraka tamin’ny FEFILOHA tamin’izy mbola Clan, tao no nanangana ny tarika Kalazan’ny Takona niaraka tamin’i Orione. Taona vitsivitsy taty aoriana dia nifanindran-dalana tamin’ny SAKINA FRAY izahay m’tsam.

Tsy dia mifidy loatra raha resaka gadona rehefa Rap fa ny tena mampahazo aina ahy dia ilay milamindamina mitondra hafatra miletika tsara iny.

Miresaka zavatra maro aho fa amin’ny ankapobeny dia somary « conscient » kokoa. Ny aingam-panahy miainga amin’ny zavatra tsotra, ny fiainana amin’ny ankapobeny na aram-panahy na resaka fiaraka fiaraha-monina, malalaka be ny fijery fa miezaka mitady zavatra hafa hatrany foana, hafa amin’ilay mahazatra anay na hafa amin’ny mahazatrany sofin’ny olona mihaino.

Ny ketrika atreto dia manao « son » foana arak’izay tratra satria lasa « défi » be ny resaka fotoana amin’izao.

Raha ny fomba fanoratra indray mandeha ho azy, rehefa mipetraka sy mazava tsara fotsiny ny « thème » dia misosa (hafa mihitsy ko izy rehefa ilay  » thème  » tonga dia milentika ao amin’ny sainao).

Miezaka ny ho « cohérent » foana tsy manisy « cassure » mihitsy koa aho anaty asa-soratra.

Ny tanjona raha ho anay ao amin’ny OTENTIKA dia ny hitondra anjara-biriky foana ho an’ny Rap Malagasy ary mba hisy fiantraikany be be kokoa hatrany eo amin’ny tontolo manondidina ny zavatra rehetra atao.

Malaza, tsy malaza tsy dia mametraka ny saina amin’izany fa rehetra miantefa eny amin’ny tsirairay ny hafatra sahaza azy dia izay.

Teny hamaranako azy dia fankasitrahana lehibe ho an’izay nanaraka anay hatramin’izay, mitohy foana ny drafitra na dia somary milamina kely ary tato ho ato, Peace !!!!!

Trackbacks & Pings

Laisser un commentaire