RAP XXL

RAP XXL

RAP XXL

Kianja Analamaintso Analamahintsy ny 05 Novembre 2016 amin’ny 14 h

RAP XXL

RAP XXL

  • Niantombohany :

Tsiaro kely ho an’Ilay rahalahy efa nody mandry, MASY tao amin’ny Alpha P.

Tao aorian’ny fandevenana azy dia nisy ny hira homage natao ka teo no nihitatra ny hevitra hoe maninona moa raha manao hetsika isika, ka mitondra ny loko izay tian’i tpkl Masy, izany hoe somary Boom bap, « texte engagé », « style 80, 90 », zany hoe amin’ilay fototra niaingan’ny hip hop.

Teo ko moa ny finiavan’ny samy Rappeur anao zavatra ngeza ka dia teo no teraka ny Rap XXL.
Rap XXL no nosafidiana ho anarany satria zavatra goavana no ho atao.

  • Mpandray anjara :

Ny ankamaroan’ny mpandray anjara de Rappeur somary akaiky an’i Masy daholo: Alpha P, izay groupe nisy azy, Be Goodn, Hooligan, Xcrew, THM, Over Ditra, Autarcie, Archi Teck ary Real Ghettoman. Misy vahiny ho avy izay avy any Toamasina, i RDK.
Paf: 3.000ariary

Everina fa zakan’ny mpankafy Rap malagasy. Tsy dia fitadiavam-bola moa ilay hetsika fa fitiavana Rap no tena mibahana.
Toerana: Kianja Analamaitso, Analamahitsy..

Matetika anaty efi-trano ny hetsika hip hop tato ho ato ka dia miala kely an’izay ary dia noentina any Analamaitso, io kianja io koa dia azo lazaina hoe manome lanja ny Art urbain, ka mozika hip hop anisan’izany.
DJ: Diojay sy Kandra Sound

  • Drafitra manaraka :

Noheverina ho asina hetsika Rap XXL isan-taona manomboka ity 2016 ity fa mbola miankina amin’ny ao ambony, ny akaiky indrindra ao arian’ny 05 novambra dia any Toamasina ny Rap XXL ny 27 novambra, fiaraha-miasa miaraka amin’ireo Rappeur any an-toerana.

Laisser un commentaire