Akela Kaira

Ny fiaraha-monina dia manondro azy hoe :

 

RAOBELINA Lova Olivier ary ny Rap nanao azy hoe : AKELA KAIRA.

Akela Kaira dia mpikambana ao amin’ny Clan SECTEUR Z izay fianakaviana niandohany nandraisany ny penina ho arakotra vazo tamin’ny taona 1999.

Efa maro ireo vazo vita sy clip ary maro ihany koa ny fiaraha miasa amin’ireo bandy ivelan’ny Secteur Z.

Azo tanisaina eto ohatra :

  • TANGALA
  • BOGOTA
  • ireo zandry kely ambany tany rehetra izay tsy voatonona nefa efa niara-nihosona …

Raha eo amin’ny lafin’ny RAP sy ny fomba fijeriny no asina resaka dia tsy dia nihazakazaka firy nanenjika ny laza fa nijanona tamin’ilay fankafizana ary nihezaka foana ny hanolotra zavatra mifanaraka amin’io fomba fijeriny io ka tsy dia voasarika tany amin’ny rivotry ny fivoharana (ilay fihovan’ny gadona RAP amin’izao fotoana izao).

Ny fomba fangalany aingam-panahy dia tsy dia hoe misy zavatra be fa mihaino vazo dia miezaka mamoaka azy ary mikaroka zavatra tsara lavitra hatrany ankoatra ny efa hita eo.

Teny farany mahakasika ny manavanana azy kokoa eo amin’ny fomba fanoratany dia izay mahakasika ny fiaraha-monina amin’ny endriny rehetra.

 

Laisser un commentaire